Exodus 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra ianareo! Miorena tsara fa ho hitanareo ny famonjen’NY TOMPO izay hataony ho anareo anio; fa ny Ejiptiana izay hitanareo anio dia tsy hohitanareo intsony mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra fa mipetraha tsara eo, ka zahao ny famonjena hataon’i Iaveh aminareo anio; fa ireo Ejiptianina hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra ianareo! Miorena tsara fa ho hitanareo ny famonjen’NY TOMPO izay hataony ho anareo anio; fa ny Ejiptiana izay hitanareo anio dia tsy hohitanareo intsony mandrakizay.
malagasy