Exodus 14:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro Aho hanamafy ny fon’ny Ejiptiana ka hiditra hanaraka azy ao; dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra miaraka amin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejiptianina hanarahany azy ireo avy eo aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro eo amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro Aho hanamafy ny fon’ny Ejiptiana ka hiditra hanaraka azy ao; dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra miaraka amin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny
malagasy