Exodus 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely; aoka hiova lalana izy ka handroso hitoby eo anoloan’i Fihahirôta, anelanelan’i Magdalôma sy ny ranomasina, tandrifin’i Beelsefôna; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin’ny ranomasina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina.
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina.
malagasy