Exodus 14:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptiana sy ny tobin’ny Israely. Teo ihany ny rahona sy ny hamaizinana nefa nampahazava ny alina kosa izany ka tsy nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifindra teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.
Malagasy Bible 1865
ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptiana sy ny tobin’ny Israely. Teo ihany ny rahona sy ny hamaizinana nefa nampahazava ny alina kosa izany ka tsy nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.
malagasy