Exodus 14:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’NY TOMPO ny ranomasina nandritra iny alina iny, ary nataony tany maina ny ranomasina sady voasaraka ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’i Iaveh ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina,
Malagasy Bible 1865
Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’NY TOMPO ny ranomasina nandritra iny alina iny, ary nataony tany maina ny ranomasina sady voasaraka ny rano.
malagasy