Exodus 14:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanenjika azy ny Ejiptianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
malagasy
Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.