Exodus 14:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony nikatso ny kodiaran’ny kalesy fitondra miady ka nanasarotra ny fandehany izany. Dia hoy ny Ejiptiana: Andeha handositra ny Israelita isika fa NY TOMPO no miady amin’ny Ejiptiana ho an’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny Ejiptianina tamin’izay: «Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa i Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejiptianina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!
Malagasy Bible 1865
Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony nikatso ny kodiaran’ny kalesy fitondra miady ka nanasarotra ny fandehany izany. Dia hoy ny Ejiptiana: Andeha handositra ny Israelita isika fa NY TOMPO no miady amin’ny Ejiptiana ho an’ireo.
malagasy
Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.