Exodus 14:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao mba hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptiana mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan’ny rano eo amin’ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao mba hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptiana mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.