Exodus 14:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka niverina ho amin’ny toerany teo aloha ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro; nitsoaka nandositra ny rano ny Ejiptiana, kanjo notsenainy ihany, ary narian’NY TOMPO teo afovoan’ny ranomasina ny Ejiptiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejiptianina ka tojo azy, ka dia navarin’i Iaveh tao anaty ranomasina ny Ejiptianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin’ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian’ny TOMPO tao afovoan’ny ranomasina ny Ejiptianina.
Malagasy Bible 1865
Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka niverina ho amin’ny toerany teo aloha ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro; nitsoaka nandositra ny rano ny Ejiptiana, kanjo notsenainy ihany, ary narian’NY TOMPO teo afovoan’ny ranomasina ny Ejiptiana.
malagasy