Exodus 14:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra tao amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Israely; tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra tao amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Israely; tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireo.
malagasy