Exodus 14:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny Israelita ny asa lehibe izay nataon’ny tanan’NY TOMPO tamin’ny Ejiptiana dia natahotra NY TOMPO ny olona ka nino NY TOMPO sy i Mosesy mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’i Israely ny tanana maherin’i Iaveh, nasehony tamin’ny namelezany ny Ejiptianina, ka natahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ary nino an’i Iaveh sy i Môizy mpanompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain’ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan’ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an’i Mosesy mpanompony.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny Israelita ny asa lehibe izay nataon’ny tanan’NY TOMPO tamin’ny Ejiptiana dia natahotra NY TOMPO ny olona ka nino NY TOMPO sy i Mosesy mpanompony.
malagasy
Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.