Exodus 14:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanamafy ny fon’i Farao Aho ka hanenjika anareo izy, kanefa dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO. Dia nataon’ny Zanak’Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.
Malagasy Bible 1865
Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanamafy ny fon’i Farao Aho ka hanenjika anareo izy, kanefa dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO. Dia nataon’ny Zanak’Israely izany.
malagasy