Exodus 14:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy nanambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tokoa fa lasa nandositra ny olona. Dia niova ny eritreritr’i Farao sy ny mpanompony ny amin’ny olona ka hoy izy ireo: Inona izao nataontsika izao no dia nandefa ny Israelita hiala tamin’ny fanompoany antsika isika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: «Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin’ny fanompoana antsika ny Israelita?»
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy nanambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tokoa fa lasa nandositra ny olona. Dia niova ny eritreritr’i Farao sy ny mpanompony ny amin’ny olona ka hoy izy ireo: Inona izao nataontsika izao no dia nandefa ny Israelita hiala tamin’ny fanompoany antsika isika?
malagasy