Exodus 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nanenjika azy ireo ny Ejiptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’i Farao sy ny mpitaingin-tsoavaliny ary ny miaramilany ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ny ranomasina, teo anilan’i Py-Hahirota, tandrifin’i Baala-Zefona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nanenjika azy ny Ejiptianina ka nahatratra azy tao akaikin’ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin’ny Fihahirôta, tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.
Malagasy Bible 1865
Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nanenjika azy ireo ny Ejiptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’i Farao sy ny mpitaingin-tsoavaliny ary ny miaramilany ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ny ranomasina, teo anilan’i Py-Hahirota, tandrifin’i Baala-Zefona.
malagasy