Exodus 15:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe: Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’i Iaveh. Hoy izy: «Hihira ho an’i Iaveh aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe: Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina.
malagasy
[Ny fihirana nataon'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.