Exodus 15:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga aminy ny tahotra sy ny hovitra; noho ny halehiben’ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ny olonao, TOMPO ô, mandra-pandalon’ny olona izay nalainao ho Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo. Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato tsy mahahetsika izy ireo. Mandra-pandalon’ny vahoakanao, ry Iaveh ô, Mandra-pandalon’ny vahoakanao izay navotanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.
Malagasy Bible 1865
Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga aminy ny tahotra sy ny hovitra; noho ny halehiben’ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ny olonao, TOMPO ô, mandra-pandalon’ny olona izay nalainao ho Anao.
malagasy
Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.