Exodus 15:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary NY TOMPO nampikatona ny ranomasina tamin’izy ireo; fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny soavalin’i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina, ka nosaforan’i Iaveh ny ranon’ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak’i Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’ny Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingina azy, dia naverin’ny TOMPO hanafotra azy ireo ny ranomasina; fa ny Israelita kosa niampita teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina.
Malagasy Bible 1865
Fa niditra teo amin'ny ranomasina ny soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary NY TOMPO nampikatona ny ranomasina tamin’izy ireo; fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina.
malagasy