Exodus 15:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely: «Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
Malagasy Bible 1865
Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina.
malagasy
Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.