Exodus 15:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.
malagasy
[Ny nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny efitra Sara, sy ny nitobiany tao Mara] Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.