Exodus 15:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tao Mara izy ireo nefa tsy nahasotro ny rano tao Mara satria nangidy ny rano tao. Izany no nanaovany ny anarany hoe Mara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao Marà izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga tao Marà izy, dia tsy azony nosotroina ny rano tao satria nangidy. Koa izany no niavian’ny anarana hoe Marà, izay midika hoe «mangidy.»
Malagasy Bible 1865
Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tao Mara izy ireo nefa tsy nahasotro ny rano tao Mara satria nangidy ny rano tao. Izany no nanaovany ny anarany hoe Mara.
malagasy
Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara