Exodus 15:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Môizy nitaraina tamin’i Iaveh, ka notoroan’i Iaveh hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Iaveh ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy
malagasy