Exodus 15:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny hamafin’ny fofonainao dia nisavovona ny ranobe; nivangongo toa rindrina ny onjan-drano; teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina no nifitsaka ny alon-drano.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina.
malagasy
Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.