Exodus 15:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hameno ny tendako amin’izany, hotsoahiko ny sabatro ka hamongotra azy ny tanako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireo fahavalony hoe: «Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.»
Malagasy Bible 1865
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hameno ny tendako amin’izany, hotsoahiko ny sabatro ka hamongotra azy ny tanako.
malagasy
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.