Exodus 16:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.
Malagasy Bible 1865
Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona.
malagasy
Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.