Exodus 16:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.
malagasy
ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.