Exodus 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny Zanak’Israely izany dia nifanontany izy hoe: Inona itony? Satria tsy fantany hoe inona ireny. Dia hoy i Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’NY TOMPO ho fihinanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: «Inona itony?» satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Itony no mofo omen’i Iaveh ho fihinanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ny Israelita ireny nefa tsy fantany, ka nifanontany izy hoe: –Inona itony? Fa novalian’i Mosesy hoe: –Itony no mofo izay nomen’ny TOMPO hohaninareo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny Zanak’Israely izany dia nifanontany izy hoe: Inona itony? Satria tsy fantany hoe inona ireny. Dia hoy i Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’NY TOMPO ho fihinanareo.
malagasy
Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.