Exodus 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izay dia nafatra tamin’ny gômôra, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahatonga kely tsy latsa-patra, fa izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.
malagasy
Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.