Exodus 16:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gômôra isan’olona. Nanatona an’i Môizy ny filohan’ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.
malagasy
Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.