Exodus 16:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina.
malagasy