Exodus 16:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hevero fa NY TOMPO no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ny indroa andro amin’ny andro fahenina. Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.
Malagasy Bible 1865
Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hevero fa NY TOMPO no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ny indroa andro amin’ny andro fahenina. Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito.
malagasy