Exodus 16:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao.
malagasy