Exodus 16:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho.
malagasy