Exodus 16:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan’andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia.
malagasy