Exodus 16:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy sy i Arona tamin’ny Zanak’Israely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa NY TOMPO no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa hoy i Môizy sy i Aarôna tamin’ny zanak’i Israely rehetra: «Ho fantatrareo anio hariva, fa i Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Mosesy sy i Aharôna dia niteny tamin’ny Israelita hoe: –Anio hariva ny TOMPO dia hanome hena hohaninareo, satria henony tokoa ny fimonomononanareo taminy; izany no hahafantaranareo fa Izy TOMPO no namoaka anareo tany Ejipta. Ary rahampitso maraina dia hanome mofo hahavoky anareo Izy, ka izany no hahitanareo ny voninahiny. Ny aminay kosa, inona moa izahay no imonomononanareo? Raha manao izany manko ianareo, dia tsy izahay no imonomononanareo fa ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy sy i Arona tamin’ny Zanak’Israely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa NY TOMPO no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
malagasy
Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;