Exodus 17:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.
Malagasy Bible 1865
Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona.
malagasy
[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.