Exodus 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana.
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana.
malagasy
Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.