Exodus 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita.
malagasy
Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.