Exodus 17:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nila ady tamin’i Mosesy izy ireo ka niteny hoe: Omeo rano izahay hosotroinay. Fa hoy i Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy NY TOMPO ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nila akisa tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Omeo rano izahay, hosotroinay.» Fa ho i Môizy namaly azy hoe: «Nahoana no dia mila akisa amiko ianareo? Nahoana no dia maka fanahy an’i Iaveh ianareo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: –Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: –Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?
Malagasy Bible 1865
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nila ady tamin’i Mosesy izy ireo ka niteny hoe: Omeo rano izahay hosotroinay. Fa hoy i Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy NY TOMPO ianareo?
malagasy
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?