Exodus 17:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?
Malagasy Bible 1865
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay?
malagasy
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?