Exodus 17:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mialohava ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon ’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.