Exodus 17:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, hijoro eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambato ianao ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. Dia nanatanteraka izany teo imason’ireo loholon’ny Israely i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka. Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, hijoro eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambato ianao ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. Dia nanatanteraka izany teo imason’ireo loholon’ny Israely i Mosesy.
malagasy