Exodus 17:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ny Zanak’Israely sy noho ny nakany fanahy NY TOMPO hoe: Eto aminay va NY TOMPO, sa tsia?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy an’i Iaveh nanao hoe: «Eto afovoantsika va i Iaveh sa tsia?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»
Malagasy Bible 1865
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ny Zanak’Israely sy noho ny nakany fanahy NY TOMPO hoe: Eto aminay va NY TOMPO, sa tsia?
malagasy
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?