Exodus 18:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ren’i Jetro, rafozan’i Mosesy, mpisorona tany Midiana, izay rehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Israelita olony, dia ny nitondran’NY TOMPO ny Israely nivoaka avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Jetrô, mpisorona ao Madiàna, rafozan’i Môizy, ny soa rehetra nataon’Andriamanitra tamin’i Môizy sy i Israely vahoakany, ny namoahan’i Iaveh an’i Israely tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ren’i Jetro, rafozan’i Mosesy, mpisorona tany Midiana, izay rehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Israelita olony, dia ny nitondran’NY TOMPO ny Israely nivoaka avy tany Ejipta.
malagasy
[Ny namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.