Exodus 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, fantatro fa lehibe NY TOMPO mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, na dia nanitsakitsaka ny olony aza ny Ejiptiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny Izy, raha nampahory an’i Israely ny Ejiptianina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.
Malagasy Bible 1865
Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, fantatro fa lehibe NY TOMPO mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, na dia nanitsakitsaka ny olony aza ny Ejiptiana.
malagasy
Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.