Exodus 18:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita izay rehetra nataon’i Môizy tamin’ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: «Inona ity ataonao amin’ireo olona ireo? Nahoana no ianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin’i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: –Inona izao zavatra ataonao amin’ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?
malagasy