Exodus 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra ianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny vahoaka eo amin’Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;