Exodus 18:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa mizahà izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra eo amin’ny olona rehetra, dia izay lehilahy marina sady tsy tia kolikoly, ary manendre mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo hifehy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Malagasy Bible 1865
Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa mizahà izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra eo amin’ny olona rehetra, dia izay lehilahy marina sady tsy tia kolikoly, ary manendre mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo hifehy azy.
malagasy