Exodus 18:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no hitsara ny vahoaka mandrakariva: ny raharaha lehibe hoentiny eo anatrehanao; ny raharaha madinika kosa hotapahin’izy ireo ihany. Hamaivano ny raharaha entinao, ary aoka izy ireo hiara-mitondra aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo.
malagasy