Exodus 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy.
malagasy