Exodus 19:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay.
Malagasy Bible 1865
TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay.
malagasy
[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.